ActualitésTsidika

Angady nananana ny ezaka nataon’ny Barea tamin’ny CAN 2019 i Nicolas Dupuis sy i Lova Ramisamanana

Anisan’ny nampivondrona sy nanambatra ny herin’ny Barea rehetra ny fanatontosana ny CAN 2019 izay noraisin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis an-tànana. Lova Ramisamanana sy i Nicolas Dupuis moa no tena fototra nijoron’ireto ekipam-pirenena malagasy ireto tamin’izany. Tafiakatra tamin’ny CAN 2019 ny ekipa malagasy vokatry ny ezaka nataon’ireto roa farany ireto ka nampivondrona ny Malagasy rehetra ho iray.Raha tsiahivina, nanao izao fanambarana izao i Lova Ramisamanana, « aogositra 2017, talohan’ny nandraisako ny fikarakarana ny qualification an’i Barea ho an’ny amin’ny CAN 2019 dia nihaona tamin’i Andry Rajoelina, izay namako nandritra ny 25 aho. Nilaza taminy aho fa hanampy ny ekipa nasionaly mba ho tafita ho any amin’ny CAN ny Malagasy, izay voalohany eo amin’ny tantara. Nanome toky ary nirary soa ahy izy ». Ny ezaka goavana nataon’ny Filoham-pirenena ihany koa no tena anisan’ny nampandroso sy nampiroborobo ny ekipam-pirenena malagasy. Ny vola fanampiana natolony ho fivoaran’ny ekipa Barea sy ny ezaka fanohanana nasehoany mba hampisondrotra mandrakariva ny voninahitry ny ekipa. »Tena manohana tanteraka ny ekipa Barea ny Filoham-pirenena ary manolotra fanampiana goavana foana na ara-bola izany na ara-tsaina. Miezaka manao izay vitany izy satria tiany ny mahita ny fahazotoan’ireto tanora misehatra eto amin’ny lafin’ny baolina kitra ireto » hoy i Jacques, mpankafy baolina kitra. « Diso mandany vola amin’ny tsy antony loatra ny fanjakana. Olona efa hita fa tsy hanao zavatra ireo dia mbola handaniana vola amin-tapitrisa ihany. Ohatran’ny hoe rano atondraka an-damosin’ny gana » hoy kosa i Hanta, mpankafy manokana ny ekipa Barea teo aloha. Efa nanambara mazava kosa anefa i Andry Rajoelina nandritra ny CAN 2019 fa « tsy mbola nahatsapa fientanam-po toy izany mihitsy ny firenena ». Te hilaza izy noho izany fa na dia resy lava aza ekipa Barea, efa naneho firaisankina sy fiombonana lehibe ho an’ny Malagasy rehetra.Manoloana izany, tsapa tanteraka ankehitriny ny faharesen’ny Barea izay mifanesisesy matetika. Hita taratra ny fahakivian’ny Malagasy sasany eo anatrehan’izany na dia misy amin’izy ireo aza ny tsy mitsahatra mampahery ny ekipa malagasy. Mila fahatongavan-tsaina izao zava-mitranga izao hoy i Lova Ramisamanana, ny fiovan’ny Filohan’ny Federasiôna, Raoul Rabekoto no anisan’ny anton’izao. Noho izany, inona ny fandraisana andraikitra tokony ataon’ny fanjakana eo anivon’izao zava-miseho izao ? Tokony ho averina ve ny mpanazatra teo aloha mba hiverenan’ny fandresena eo amin’ny ekipa Barea Malagasy indray ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire