Ny peta-korona : Voaeso anaty oha-bolana
Betsaka ireo oha-bolana nampioharin’ny ntaolo tamin’ny olona peta-korona. Isany amin’izany izao ny hoe « vehivavy tsara tarehy petaka orona ka voatondro iray no tsininy izany hoe tsy naha-izy azy » ; ao ihany koa ny hoe « petak’ orona manambady sondenda ka tsy soa mifanebaka » sy ny hoe « petak’orona sy dondon-kandrina ; ny iray iva tsy anomezan-tsiny, ny iray avo tsy anomezam-pondro, fa izay vitan-janahary ifaliana ».Ratsy ve izany ny petak’orona ary heverin’ny Ntaolo fa kilema sy lesoka mihitsy ? Satria hoy hatrany mantsy izy ireo hoe » tsy mety raha ny petaka orona indray no hiavona amin’ny lesoka ». Ny olona iva orona no nantsoin’ny Ntaolo hoe peta-korona saingy noheverin’izy ireo ho lesoka sy tsy so any orona petaka ka matetika fosain’ny olona. Ny tsy fantany manko dia nateraka tsy hitovy isika, ary samy manana ny endriny avy.Betsaka ny manontany tena raha mandinika ireto oha-bolana ireto manao hoe « tsy mba nisy petak’orona ve ireo vehivavy vadin’ny mpanjaka taloha ? » ny vehivavy no tena tsindriany ho ratsy eto raha peta-korona, ahoana izany ilay hoe ny vehivavy aingon’ny lalana, ny lehilahy mandan’ny vohitra » ?
Nicole Rafalimananjara
