Filaminana : Tsy mitsahatra manangana paik’ady vaovao ireo mpisoloky sy mpangalatra peratra volamena
Efa tena manita-tsaina sy manomboka fetsy ny mpangalatra peratra amin’izao fotoana izao. Hainy tsara ny maka ny fon’ilay tompona peratra volamena mba tsy hahafantarana azy ho mpangalatra.
« Mila mitandrina isika fa milaza ho manampy ilay ramatoa mihaja be fa misy manaraka hono izaho amin’ilay peratra volamena. Mody manampy manala ilay volamena eny amin’ny tanako izy amin’izay tsy hitan’ny olon-dratsy hono. Tena efa manita-tsaina tokoa ny zanak’olombelona amin’izao » hoy ilay ramatoa nijoro vavolombelona fa voasoloky. « Tsy kely lalana ny ratsy. Mila mailo isika isaky ny hivoaka ny trano. Aoka tsy hitondra firavaka sarobidy na zavatra lafo vidy rehefa handeha any amin’ny teorana be olona » hoy ny mpitanro filaminana. « Tsy am-poizina ho mpisoloky na mpangalatra mihitsy ny olon-dratsy amin’izao. Hainy tsara ny maka ny fo fa aza mora matory fotsiny ny fanafodiny » hoy i Hanta, mpivarotra eny Behoririka.
Tsara tokoa raha mailo hatrany isika amin’izao fotoana maha be olona eny an-tsena izao. Mirongatra tokoa mantsy tato ho ato ny asa fisolokiana amin’ny endriny samihafa.
Nicole Rafalimananjara
