ActualitésTsidika

Ambohijanaka : Tokony hisy ny fametrahana filaminana

Nilanja sora-baventy ny tokony hanaovana fitsirihana ny fanampoahana vato ataon’ny sinoa ireo mponina ao Ambohijanaka. Tapitra mitriatra sy simba ny tranon’ireo mponina manoloana ity fanapoahana vato ity.

« Efa tonga hatreny amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny (Office National de l’Environnement) ONE. Ny brigadin’ny Zandarimaria Andoharanofotsy no nitondrana ny raharaha. Nilaza ny minisitra fa tsy andraikiny izany fa an’ny ONE » hoy i Feno, mponina any Ambohijanaka. « Tokony hisy ny fenitra amin’itony fanapoahana vato itony. Tokony kendrena tsy hanakaiky ny toeram-ponenana izany mba tsy hiteraka fanakorotanana ho an’ny mponina eny amin’ny manodidina » hoy i Rajo, mpianatra mikasika ny Asa vaventy sy ny fanorenana. « Tokony hisy foana ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta. Tsy voatery hiandry ny fanjakana foana hisian’ny filaminana. Samy olombelona izao ary tokony hahay hifandamina » hoy i Rabekoto, zokiolona monina ao Ambohijanaka.

Tsy hita tokoa izay omen-tsiny rehefa misy ny tranga tahaka izao. Ny rehetra no mila filaminana fa tsy ny mponina irery akory.  Aoka hisy ny fandaminana apetraka manoloana izao olana izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire