Ambohimanambola : Nahafinaritra ny fankalazana ny fety tao amin’ny Kaominina
Nizotra tsara araka ny tokony ho hisy ny fankalazana ny fety tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Faly ny mponina satria niavaka tsy tahaka ny isan-taona ny fankalazana.
« Ny fifaninana isan-karazany sy ny kilalaon-jiro no entina mankalaza ny fety. Efa nanomboka ny 21 desambra teo ny kilalao ludo izay tena nahafa-po ny maro » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Tena nahafinaritra ny fikarakarana. Tena niavaka ny fety tamin’ity taona ity ary samy nahatsapa izany ny rehetra » hoy i Voahirana, mponina ao Ambohimanambola. « Tena ilaina eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampilana voly ny mponina. Tsara ny miala kely amin’ny mahazatra mba ahafahan’ny saina mihavao hatrany » hoy i Kenny, mpianatra mikasika ny fitsaboana ny saina ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Samy miezaka mampifaly ny mponina ao aminy tokoa ny kaominina tsirairay eto Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
