Tsiroanomandidy : 11 ireo namoy ny ainy
27 Desambra, 07h30. Tafiakatra 11 ireo namoy ny ainy tamin’ireo olona nilatsahan’ny varatra tao amin’ny fiangonana Betsipolitra, ao Tsiroanomandidy. Ny zoma alina teo no nitranga ny loza, nandritry ny alin’ny Krismasy. Olona folo no namoy ny ainy teo no ho eo. Niampy iray izany, satria tsy tana ny ainy noho ny ratra nahazo azy.
