SocialTsidika

Toliara : Miara-mirona manoloana ny ady amin’ny afo ny mponina

Niara-nikaroka vahaolana tamin’ny mponina ao Behompy Toliara manoloana ny firogatry ny afo ny ekipan’ny tetik’asa Hiaka An’ny ala. Mamely tanteraka any an-toerana mantsy ny kere sy ny tsy fisian’ny rano tsy ahafahan’ny mponina mamboly.

« Miantraika tanteraka amin’ny fiainanay andavanandro tokoa ny voka-dratsin’ny doro tanety sy doro ala ary ny fanimbana ny ala sisa tavela » hoy i Fano, mponina any Behompy Toliara. « Ny famoronana asa no vahaolana voalohany hita toy ny fampitaovana milina fanjairana ho an’ireo vehivavy, ny fanaovana asa tanamaro izay sandaina vary sy sakafo ary vola, ny fanomezana valisoa ireo mponina mihary tsy mampiasa afo na mahafehy ny fampiasana afo » hoy ny avy ao amin’ny nekipan’ny Ttetik’asa Hiaka An’ny Ala. « Mirona amin’ny fanaovana arina fandrehitra sy fitrandrahana ala ny ankamaroan’ny mponina aty. Tsy ampy tokoa mantsy ny asa fivelomana sy fihariana ho an’ny mponina » hoy ny solotenam-panjakana any an-toerana.

Dingana lehibe tokoa ny tahaka izao ho entina hampihenana ny firogatry ny afo eto amintsika. Tsara raha samy mahay mifehy ny fampiasana afo ny rehetra no antoky ny tontolo iainana madio indrindra amin’ny tokony hambolen-kazo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire