Brésil : Tafakatra hatramin’ny 62,3°C ny hafanana tao Rio de Janeiro
Nahatratra hatramin’ny 62,3°C ny hafanana tany Rio de Janeiro, ny fiandohan’ny herinandro teo. Ny alahady dia efa dia efa nananika ny 60,1°C izany, raha ny nambaran’ireo rafitra fanairana, monisipaly tany an-toerana. Mila sorohana ny fandehanana amin’ny masoandro, ary misotro rano, ireo no fanentanana natao ho an’ny mponina tany an-toerana. Ny faritr’i Amérique Latine dia niaina tao anatin’ny hafanana be hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Ity faritra andrefan’i Rio ity izay misy mponina maherin’ny 6 tapitrisa, ary ny 40% amin’ireo mponina dia mahantra avokoa. Etsy ankilan’izay anefa, ny any amin’ny faritra atsimon’i Brésil, dia lasibatra amin’ny rotsak’orana. Ahiana ny hisian’ny rotsak’orana lehibe sy ny hamafin’ny tafiotra. Efa miomana amin’ny mety hatongavan’izany ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra any an-toerana.
