ActualitésTatitra

Inde : Zazalahy kely 8 taona, tafavoaka velona tamin’ny fanafihan’ny cobra iray

Zazalahy iray 8 taona monina ao Pandarpadh, tanàna iray ao amin’ny faritanin’i Chhattisgarh no nisedra tranga hafakely ny herinandro lasa teo. Rehefa nilalao tao ambadikin’ny tranony izy dia nisy bibilava « cobra » namatotra ny tanany. Nokakerin’io bibilava io ilahy zazalahy ary nanifikifika ny tanany izy mba hialan’ilay biby saingy tsy nahomby izany.

Rehefa tsy nandaitra izany dia nokakerin’ilay zaza indroa ilay bibilava ka maty. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ilay zaza taorian’izany ary notsondronina ody poizina. « Morsure sèche » izany tsy nisy poizina nefa no nahazo io zazalahy io ka vetivety ihany dia sitrana izy.

Laisser un commentaire