ActualitésTsidika

Fampianarana ambony:  Aman-jatony indray ireo tanora mikasa hanohy fianarana any Russie

Miisa 11 ireo tanora nody eto an-tanindrazana rehefa avy nanohy fianarana tany Maroc. Ireo no tanora voalohany niantohan’ny fitondram-panjakana ho an’ireo mpianatra any Maroc. Ankoatra ireo dia hisy mpianatra avy any Russie ihany koa hody ny 18 novambra izao. Mbola maro ihany koa anefa ireo tanora eto an-toerana no laiana amin’ny fandratoana fianarana any ivelany raha efa aman-jatony izy ireo no nametraka taratasy fangatahana vatsim-pianarana any Russie.

« Taratasy aman-jatony no voarain’ny Conabex mahakasika ny fangatahana vatsim-pianarana hianarana any Rosia na dia eo aza ny korontana misy any na-toerana amin’ny Ukraine. Maro rieo tanora no liana na dia efa fantatra aza fa 40 eo ho eo ihany no mpianatra ho voaray amin’izany », hoy i Toky Harivelo Andriambinintsoa, talen’ny vatsim-pianarana eo anivon’ny Ministeran’ny fampianarana ambony.

« Efa hatry ny ela no naniry hanohy fianarana any ivelany. Nahita iny filazana iny dia mba nametraka taratasy satria 40 be izao no tanora ho ampiana. Hirariana handeha araka ny rariny satria ny re matetika dia ny fampiasana ny kolikoly ka mba hialana amin’izay dia tokony hasiana mangarahara hatrany », hoy i Augustin, mpianatra mahakasika ny herinaratra.

Hiatrika ny fisafidianana ny taratasin’ireo mpianatra ireo ary miisa 40 eo ho eo ihany ny tanora afaka hisitraka ny vatsim-pianarana mankany Russie. Ny lalam-piofanana no tena hiompanana betsaka amin’ny safidy. Izany rehetra izany dia hahafahana manomana ho avy tsara ho fampandrosoana an’ny Madagasikara amin’ny alalan’ny traikefa izay ilaina ka ho trandrahan’ireo tanora ireo any ivelany any. Hentitra ny fanaraha-maso mba hialana amin’ny hosoka sy ny kolikoly.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire