Mayotte : Mandray anjara amin’ny Miami Swim Week ny marika Sazilé Swimwear
Ny Miami Swim Week dia fanehoana akanjo entina milomano lamaody ao Miami Beach, Floride. Misy isan-taona io hetsika io ary ho an’ity andiany ity dia voaasa haneho ny sangan’asany any an-toerana ny orinasa mpamokatra akanjo entina milomana Sazilé Swimwear avy ao Mayotte izay tarihin’i Alexandra Maroine.
Maharitra herinandro ny hetsika Miami Swim Week ary mpamorona avy amin’ny firenena maro no mandray anjara amin’izany. Raha tsiahivina kosa dia efa tamin’ny taona 2019 no nisy ny orinasa Sazilé Swimwear. Efa nampirantiana nandritra ny Cannes 2022 izany asa tanan’i Alexandra Maroine izany ary efa nanaingana ny 30 jona teo nakao Miami Beach, Floride.
Hanomboka rahampitso 4 hatramin’ny 10 jolay ny hetsika ary mpividy 3000 isa avy amin’ny firenena am-polony ihany koa andrasana ao anatin’izany.
