ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Sarona ny tambazotran-jiolahy mpangalatra kisoa

Jiolahy miisa 7 no tratran’ny zandary avy ao amin’ny grigadin’Ambohimalaza, rehefa tsy nahatanteraka ny fikasan-dratsy hanafika toeram-piompiana kisoa lehibe iray, tao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Ny alin’ny 02 desambra no nikasa hangalatra kisoa miisa fito ireto farany, ka sarona noho ny fiaraha-mientan’ny olona tsotra sy ny zandarimaria.

« Ny alin’ny 02 desambra 2023 teo no nahazo antso avy tamin’olona tsara sitrapo ny zandary fa misy lehilahy maromaro mampiahiahy satria mahimahina mijery ny manodidina, milanja enta-mavesatra anaty gony teny amin’ny toerana antsoina hoe Andasy, Fokontany Ambohitremo Ambohimalaza. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary rehefa nahazo io antso fanairana io ka kisoa lehibe miisa 02 no hita tao anatin’ny gony izay natsipin’ireto olona ireto nandritra ny fitsoahany ny zandary sy ny fokonolona » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Jiolahy miisa 04 no voasambotra na dia niezaka ny nandositra aza izy ireo. Fiara miisa 02 izay mpitondra ny jiolahy sy ny kisoa angalariny ihany koa no sarona nandritra izany. Nisy ny mpivaro-kena mpaniraka, mpiray tsikombakomba voasambotra ihany koa teny Andravoahangy rehefa notohizana ny fanadihadiana ny ampitson’io” hoy hatrany ny fanazavana.

Mpiambina iray tao amin’io toerana fiompiana io ihany koa moa dia anisan’ny nandray anjara tamin’ny teti-dratsy fangalarana ireo kisoa izao, izay namono ny jiro tao an-toerana sy naomo ireo kisoa. Voatazona am-ponja vonjimaika moa ny olona miisa fito tao anatin’ity raharaha ity.

Laisser un commentaire