Talata Volonondry: Misy ny fananganana ny biraom-pokontany ao Avaratsena
Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny fananganana sy famitana ny tranom-pokontany fanampiny ao amin’ny fokontany Avaratsena ireo tomponandraikitra.
“Ny fokonolona sy ny kaominina no miara-miasa sy mifanolo-tanana amin’ny fananganana ny asa eto an-toerana. Zava-dehibe izany satria ny tsirairay dia manana anjara amin’ny fampandrosoana ny tanàna na toerana misy azy ary ny fiombonana tahaka izao no ahavitana manorina zavatra tsara ho an’ny taranaka” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Faly foana ny vahoaka rehefa misy ny asa atao ety amin’ny fokontany. Hisaorana ireo tomponandraikitra tsy manao izany ambanin-javatra satria amin’izao tokoa no ahitana fa mahavita mampandroso ny mpitarika ary hirariana mba hitohy hatrany izany” hoy i Dany, mponina ao Avaratsena, Talata Volonondry.
Ao anatin’ny firaisan-kina no ahitana ny fampandrosoana. Rehefa samy mitondra anjara biriky sy mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana tokoa ny tsirairay dia mandroso ho azy ny tanàna ary maro ny foto-drafitr’asa voatsangana.
