SocialTsidika

Alasora : Mitohy hatrany ny asa fanadiovana

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana sy fandalinana ireo tatatra eny amin’ny faritra iva ao anatin’ny kaominina Alasora. Teny Ankadindratombo indray no nanaovana ny as any 27 jolay teo.

« Taorian’ny asa fanadiovana ny tatatra avy eo Ankadindratombo mankany Ambohimanandraisoa, dia ny tatatra eo Ankadindratombo mihazo an’i Est-Mahazoarivo indray no hitopanan’ny asa. Mitohy hatrany ny fanadiovana ary manentana antsika rehetra hiara-hientana amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Sarotra dia sarotra ny fanatanteraha ny asa teto. Difotry ny diky sy ny fako ary ny fotaka tanteraka mantsy ny tatatra. Raha samy tsy nanary maloto tamin’ny tatatra izao isika tsy nisy ny fanadiovana be tahaka izao izay tokony nahavitana asa maro hafa » hoy i Fleurette, mponina ao Alasora.

Manentana hatrany ny mponina mipetraka manamorona ny tatatra ny kaominina mba hanova toe-tsaina. Tokony tsy hanao ny tatatra ho fanariana fako sy diky ary rano maloto, satria fandrorana mitsilany izany. Olombelona toa antsika ve no mandroaka ny diky ariantsika ao anaty tatatra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire