ActualitésTatitra

Chypre : Nosy mampiray fihaviana samihafa

Nosy ao amin’ny faritra Levantin, ao amin’ny faritra atsinanana indrindran’ny ranomasina Méditerrané ny nosy Chypre. Voasokajy ho tany Européen izy io matetika ara-politika sy ara-kolontsaina. Raha ny fitoerana kosa dia manakaiky kokoa an’i Turquie sy Syrie izy, any amin’ny 69 kilometatra atsimon’i Anatolie (Turquie) ary 104 kilometatra ay andrefan’i Syrie.

Tsy mahasakana an’i Chypre tsy ho mpikambana ao amin’ny Union Européenne izany toerana ara-jeografikany izany. Raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2010 dia 1 150 000 ny isan’ny mponina tao aminy, ny ankahamaroan’ireo dia « Chypriotes grecs » avokoa, manodidina ny 300 000 kosa ny « Chypriotes turcs » ary « britannique » ny 14 500.

Laisser un commentaire