ActualitésTsidika

Ankirihiry Antsohihy : Nanampy ireo zokiolona i Farouck

Zokiolona miisa 60 avy ao amin’ny Fokontany Ankirihiry Avaratra no nisitraka fanampiana avy amin’i Farouck. Tia sy manampy betsaka ny mponina ao Antsohihy tokoa i Farouck.

Vary telo kilao sy ronono mandry ary savony avy isan’olona no azon’izy ireo. « Tsy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Raha ny faniriako dia vary amin’ny gony isan’olona miampy kojakoja ilaina andavan’andro no zaraina. Izay aloha no azo atolotra androany koa mihinana finaritra » hoy i Farouck. “Mahafinaritra sy mahavelom-bolo ny mahita tanora toa azy. Tsy misy ambadika politika akory ny azy. Nilaza mihitsy aza izy fa tsy voatery hanao politika vao hahatsiaro ray aman-dreny » hoy i Ginah, mponina ao Antsohihy.

« Efa betsaka ny nataon’ity tanora, olon-tsotra, ity. Efa nanamboatra ny lalana izy. Nanao izay azony atao hampandrosoana ny firenena izy. Mankasitraka azy tamin’ny vitany sy izay mbola ho ataony » hoy i Evelyne, zokiolona nisitraka ireo fanampiana ireo. Mbola hitohy any amin’ny Fokontany hafa ny hetsika fanampiana tahaka izao.

Raha misy folo toa azy fotsiny ao Antsohihy dia betsaka ny volana ho voavaha. Miandry ny tanora tokoa ny firenena. Mila mifanampy isika mpiara-belona. Tsy vahaolana ny iandry ny fanjakana foana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire