Manao antso avo amin’ny Ministera mpiahy ny Polisim-pirenena
Mitaky amin’ny Ministera mpiahy azy sendikan’ny Polisim-pirenena ny mba hampitsaharana ny famindran-toerana tsy ara-dalana. Polisy manodidina ny 30 isaky ny Kaomisaria no nambaran’ny Sendika fa ho tratry ny famindran-toerana faobe ka antony nahatonga azy ireo manao izany antso avo izany.
« Fanitsakitsahana ny zo fototry ny mpiasa izao atao izao ary fanaovana antsojay sy fanaparam-pahefana amin’ny polisim-pirenena » hoy ireo Sendika. « Nametraka fitoriana izahay teo amin’ny filan-kevi-panjakana mba hampiatoana ilay famindran-toerana faobe io noho ny tsy fahafenoan’ny fepetra amin’ny fitakiana kanefa tsy ampy ny taratasy fangataham-piatoana ka any amin’ilay fanafoanana ilay fanapahana no tsy maintsy hirosoana » hoy Randriamihamina Alphonse, Sekretera Jeneralin’ny sendika.
« Efa nandondom-baravarana teo amin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka izahay fa tsy nandray izy ireo, tsy voahaja ny zo arak’asa sy ny ara-sendikaly noho ny fanaparam-pahefana miseho ankehitriny » hoy ireo Polisy. Mangataka ny fihaonana amin’ity Ministera iray ity noho izany izy ireo mba hamahana ny olana misy ao amin’izany sehatra iray izany. Tsy io resaka famindran-toerana io ihany no olana eo amin’ny Polisim-pirenena fa maro ny olana hafa manodidina ny asa toy ny fitaovana. Inona no mety ho ataon’ny Ministera aorian’izao ?
Nicole Rafalimananjara
