Dhirubhai Ambabi : Mitsangàna, tanteraho ny nofinofina
Raha ny tokony ho izy, samy manana ny faniriany sy ny nofinofiny ny olona tsirairay. Amin’ny alalan’ny finiavana sy ny fahazotoana anefa no afaka hahatanteraka izany. Vokatr’izany, mifantoka tanteraka amin’ireo ny ho avina aoriana. Ny mety ho fiainana rahatrizay ihany koa dia miankina tanteraka amin’ny fiatrehana ny ho avy.
Miainga amin’ny faniriana sy nofinofy avokoa ny maha mpandraharaha ny olona iray. Kanefa, ny finiavana sy ny fikirizana hanatanteraka ny nofinofy no tena hifantohany. Samy manana ny faniriany sy ny hetahetam-pony avokoa mantsy ny olombelona tsirairay fa saingy misy ny kamo hanatanteraka izany, misy koa ny tsy manana ny ampy ho azy mba handrosoany sy hivelarany. Tsarovy fa araha tsy miasa ho an’ny tena anefa ianao dia tsy maintsy miasa ho an’ny hafa. Rehareha ho ana ny ny ankohonana anefa ny fahombiazana, ary ny olona mpandraharaha no tena lazaina fa nahomby noho ny ezaka sy sedra maro nolalovany. Tsy misy tsara mihoatra noho ny miasa tena izany anefa, ary izany no tena atao hoe nahazo fahombiazana.
« Efa an-dalam-panatanterahana ny nofinofiko aho izao ary betsaka ny zava-baovao miseho ao amin’ny fianako manoloana izany. Faniriako izany hoe izaho izany mihitsy no mitantana orinasa iray vita tamin’ny herin’ny tenako » hoy i Kanto, mpianatra. « Tsy mba handraharaha izany mihitsy aho eo amin’ny fiainako fa aleoko miasa amina orinasa, amin’iny aho tsy lany vola sy lany ron-doha be fa manaraka toro marika fotsiny » hoy kosa i Andry, mpianatra.
Manolotra ity teny ity ho antsika anefa i Dhirubhai Ambabi ka manazava ny toe-tsaina ananantsika, « raha tsy manaraka ny nofinofinao ianao, hisy olon-kafa haka ana mba hanampy azy amin’ny faniriany manokana ». Zava-dehibe ny maha izy ana, indrindra ny fahalalana ka tsy tokony atao ambanin-javatra.
Tokony hangetaheta fandraharahana avokoa ny olon-drehetra ka tsy hiheritreritra ny hiasa amin’ny orinasa iray fa kosa hanagana orinasa ho anao manokana mba ahafahana mampiasa olona maro. Saingy ny fahantrana ara-toe-tsaina, ara-bola, ara-nofo no mbola mibahana ao anatin’ny tsirairay ka mahatonga azy ireo hihaotra na tsy handroso amin’ny tontolon’ny fandraharahana.
Manoloana izany, misy andraikitra tokony ho raisina ve hanampiana azy ireo amin’izany olany izany? Tokony hampianarina manova toe-tsaina ve izy ireo ahafahany tsy hanisy sakana eo am-panatanterahana ny nofinofiny ?
Miangaly Rasoamihajamanana
