Ambohimanambola : Hanomboka tsy ho ela ny fandoavan-ketra
Hanatanteraka hetsika hanentanana ny olona handoa hetra ny kaominina Ambohimanambola manomboka ny 2 Novambra hatramin’ny 15 Desambra 2021 izao no andro natokana handoavana izany. Hisy mpanentana hitety tanàna any manodidina izay fandoavan-ketra izay. « Zava-dehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ny fandoavan-ketra, entina hitondrana fampandrosoana eo amin’ny tanàna tsirairay » hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohimanambola. « Mpanentana mana fanamiana Mavo sy mitondra ‘badge’ no ho tonga eny amin’ny trano fonenantsika mandritra ireo daty ireo » hoy ny tompon’andraikitry ny hetra ao Ambohimanambola.
« Mbola betsaka ny tsy mahalala akory izany hetra izany eto amintsika ka tokony hamafisina hatrany ny fampahafantarana ny vahoaka any anaty haino vaky jery any mba hisian’ny fampandrosoana » hoy i Kelly, mponina ao Ambohimanambola. Tokony hahalala ny fiainan’ny kaominina misy azy tokoa ny vahoaka tsirairay mba haharesy lahatra azy ireo amin’ny fandoavan-ketra mbola betsaka tokoa mantsy ireo olona tsy mandoa izany adidy lehibe izany amin’ny maha olom-pirenena. Zava-dehibe tokoa ny fandoavan-ketra eo amin’ny fampandrosoana, ary miankina amin’ny hetra no hampihodinana ny raharaham-pirenena rehetra.
Nicole Rafalimananjara
