Avy aiza ilay teny hoe « sektambra » ?
Vao maheno hoe « sektambra » isika dia i Rafanomezantsoa Jean Nirina no ao an-tsaina voalohany izay filohan’ny fikambanana Fitrama. Tanora be mpanenjika tokoa izy ankehitriny. Fa nahoana ? Ilay resaka sektambra ve ?
Maro ny ady sy ny sehatra nolalovan’ity tanora Malagasy ity vao tonga amin’izao misy azy ankehitriny izao izy. « Karazan’ny olona mpanadroadro sy mpanambany olona ny gasy ary ory hava-manana. Izay no nahatonga ahy niditra am-ponja tamin’ny fotoana maro. Tsy mahataitra ahy intsony izay vavan’ny gasy fa hoentiko foana aloha ny Chrysler » hoy i Rafanomezantsoa Jean Nirina.
« Tsy mampaninona izay sektambra fa ny zava-dehibe rehefa tafita ny hafatra, ny Malagasy ihany koa zara aza misy hihomehezana, tokony hampitomboina mihitsy ny fialam-boly eto amintsika fa resaka tsy misy dikany no ritin aho lava » hoy i Henri, mpanara-baovao.
« Sektambra ve no lazaina imasom-bahoaka kanefa ianao gasy sa manapatra ny maha sekta mihitsy » hoy ny fanehoan-kevitry ny hafa tao amin’ny tambajotran-tserasera.
Dingana maro no efa nolalovan’i Rafanomezantsoa Jean Nirina ka miantso izay te haka traik’efa aminy izy mba hanantona azy eny 67ha Sud. Fa inona tena olana amin’ilay sektambra tokoa ?
Nicole Rafalimananjara
