Ho avy tsy ho ela ny vanim-potoanan’ny lohataona
Higadona tsy ho ela ny vanim-potoanan’ny lohataona, izay fizaran-taona voalohany amin’ny taona. Ho an’ny aty amin’ny ilam-bolantany atsimo dia manambatra ny volana septambra, Oktobra ary Novambra ny lohataona, izay iatombohan’ny fanirian’ny zava-maniry nihitsan-dravina nandritra ny ririnina toy ny paiso.
Mitombo ny halavan’ny andro ary mihena ny halavan’ny alina mandritra izany. Betsaka ny hazavana sady mihamafana ny andro nefa tsy mbola misy betsaka ny orana. Maro ireo zava-miseho eo amin’ny natiora amin’ny lohataona satria mihavao ny voary, mitsonika ny oram-panala, mitsimoka ny zava-maniry, rakotra voninkazo ny bozaka aman’ahitra, mifoha amin’ny torimasony ny biby mpatory ririnina.
Ny ririnina tokoa mantsy no mialoha ny lohataona, ary dimbiasin’ny fahavaratra ny lohataona avy eo. Ny taom-baovao malagasy dia ankalazaina amin’ny fiantombohan’ny lohataona amin’ny volana Septambra, ho an’ny Malagasy sasany, amin’ny maha fizaran-taona voalohany azy. Na izany aza anefa mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririna tsara isika izao izay mangatsiaka tokoa ary fohy ny andro fa ny alina no lava. Rako-drahona matetika ny andro ririnina ka tsy ampy ny hazavana sy ny hafanana azo avy amin’ny masoandro. Manomboka ny volana jona ary mifarana ny aogositra izany. Mety hisy anefa ny fifadibadihan’ny toetr’andro noho ny fiovaovana vokatry ny hetsika fanimbana ny tontolo iainana sy ny natiora.
Mety raha saro-piaro amin’ny fanadiovana ny tontolo isika mba hizoran’ny vanim-potoana hifanaraka amin’ny natiora.
Nicole Rafalimananjara
