ActualitésSportTsidika

Ankadikely Ilafy : Nihaona sy nanome fanomezana ho an’ny mpilalao voafantina Crai Basket ny kaominina

Nihaona sy nanome fanomezana ho an’ireo mpilalao voafantina izay mandrafitra ny ekipan’Ankadikely Ilafy, amin’ny taranja Basket Ball (CRAI Basket), ny alarobia hariva teo, tao amin’ny kianja Fifankatiavana Ankadikely, ireo tomponandraikitra miadidy ny kaominina ao an-toerana. Izy ireo izay manohana tanteraka ireo ekipa, amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena eo amin’ny distrika, atao amin’izao fotoana izao.

« Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny lalao manaraka ireo mpilalao voafantina Crai basket, avy eto amin’ny kaominina, ka rariny loatra raha maneho ny fanohanana sy ny fiaraha-mientana amin’izy ireo. Izany indrindra no anton’izao tafa sy fihaonana mivantana amin’izy ireo izao » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Ilaina dia ilaina ny fanohanana ny ekipa tahaka izao. iny no hery entin’izy miatrika ny lalao sy mitondra fandresena, indrindra isika rehetra no faly rehefa maharesy izy ireo. Hisaorana ny tompondraikitra amin’ny fandraisana an-tanana sy ny fanohanana satria tena zava-dehibe ho an’izy ireo izao » hoy ny avy amin’ireo mpanazatra.

Anisan’ny manohana tanteraka ireo tanora sy ny fanatanjahan-tena ny kaominina Ankadikely llafy, ireto mpilalao voafantina misolo tena ny kaominina amin’ny fifaninanana basket-ball eo anivon’ny distrika ireto ihany koa izay hita miady mafy sy manao ny ezaka amin’ny lalao izay ataon’izy ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire