Afrique : Patrice Motsepe irery amin’ny hazakazaka fifidiana filohan’ny CAF
Nanohina tsy nisy fanazavana ny filatsahan-ko fidian’i Patrice Motsepe ho filohan’ny Confederation Africain du Football na ny CAF i Jacques Anouma, tamin’ny fanambarana tamin’ny fahitalavitra tao Côte d’Ivoire. « Taorian’ny fisaintsainana sy fifampidinihana ary fifampidinihana maromaro, nanapa-kevitra ny hiala amin’ny filatsahan-ko fidiana ho filohan’ny CAF aho », hoy Andriamatoa Anouma. « Hamita ny fifanarahana avy any Rabat ka hatrany Nouakchott izahay, rahampitso » hoy hatrany izy, izay naneho ny faohanany tamin’ny fomba miharihary ny filatsahan-kofidian’ity miliardera acy any Afrique du Sud, Patrice Motsepe ity. « Napetrako tamin’ny fanompoana ny fanarenana ny baolina boribory afrikanina ny zavatra niainako rehetra. Mino ny baolina kitra afrikana tafaray aho, » hoy hatrany Andriamatoa Anouma tamin’ny fanambarana nataony ny zoma 5 martsa hariva teo. Tsy maintsy mihaona any Nouakchott (Mauritanie) mandritra ny famaranana CAN-U20 izy efa-dahy. Voahosihosy ny lazan’ny CAF noho ny raharaha ara-bola. Raha tsiahivina, nivoaka ny didy fampiatoana tamin’ny asany, manditra ny dimy taona, an’ Ahmad ny volana novambra 2020 noho ny fiahiahiana azy ho nanao kolikoly. Raha ny loharanom-baovao, « Manaja ny safidin’ny FIFA, izay maniry hanana olona vaovao, tsy tafiditra amin’ny fitantanana teo aloha, hisarika mpanohana vaovao, mpampiasa vola ary hanome endrika tsara kokoa ny CAF aorian’izay i Motsepe”.
