Sport

Lalaina Nomenjanahary tsy norarahin’ny FMF nandritra ny dimy volana

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa tsy afaka hilalao amin’ny fihaonana amin’ny Ethiopie sy Niger i Bolida. Antony dimy no tsy afahany manatrika ireo lalao ireo :
1- Tsy fandraisana andraikitra eo anivon’ny federationa Malagasy ny baolina kitra tao aorianan’ny faharatrany. 2- Matahotra ny klioba FC Paris fa tsy afaka miatrika ny lalao izay amin’ny 03 Avril satria nohon’ny fepetra aram-pahasalaman samy hafa. 3- Atahoran’ny klioba ny fiverenan’ny faharatrana ka lasa hitondra fahasahiranana hoan’ny klioba indray. 4- Anisan’ny mpilalao tena ilaina i Bolida ao amin’ny Klioba amin’ny fiakarana amin’ny « Ligue 1 ». 5- Namoaka lalana vaovao ny FIFA fa azon’ny klioba atao ny tsy mandefa ny mpilalao iray any amin’ny ekipam-pirenena
Misy arak’izany ny olana izay eo anivon’ny Federationa ka mody sarotsaromana. Soa fa misy ny Filoham-pirenana izay mba manome « prime de match » hoan’ny mpilalao nefa kely izany hoy i Bolida hatrany. Vonona hatrany anefa izy ny anatevina ny ekipam-pirenana Malagasy satria tia tanindrazana.

Laisser un commentaire