Nofanina handamina ny tanàn-dehibe ny polisy monisipaly
Anjara asan’ny polisy monisipaly ny miandraikitra tanteraka ny fandaminana eto amin’ny tanan’Antananarivo renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny andraikitr’izy ireo koa ny fanentanana sy fampianarana ny mponina amin’ny fanajàna ny rindran-damina apetraka eto amin’ny tanàn-dehibe. Tsiahivina fa miha-mitombo ny mponina sy ny fiara mifamezivezy eto andrenivohitra. Efa mananika ny 3 tapitrisa ankehitriny ny olona mipetraka eto Antananarivo. Tokony hitombo araka izany ihany koa ny mpandamina ny fifamoivoizan’ny olona sy ny fiara mba hampilamina tanteraka ny eto an-tanan-dehibe. Tsy ampy isa mantsy ny polisy monisipaly hatramin’izay. Vokatr’izany, maro ny tsy fanarahandalàna satria tsy vitan’izy ireny intsony ny fanaraha-maso. Tsy mahasahana ny fandrindrana intsony izy ireo. Antony iray tsy maintsy nampitomboana ny isany. Polisy monisipaly miisa 100 araka izany no naseho ambany faneva hanampy ny efa amperin’asa. Tanjona ny hampitombo azy ireo mba hahafahana mandritra hatrany ny tanan-dehibe tahaka an’Antananarivo. Ankoatra izany, mitana andraikitra lehibe ihany koa ny mpamonjy voina rehefa betsaka tahaka izao ny mponina. Ny olana anefa, miisa 168 fotsiny izy ireo ankehitriny. Noho izany indrindra, namoaka mpiofana vaovao miisa 50 ihany koa ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Tanjon’ity ampitombona isa ity ny hamenoana foibentoerana mamonjy voina manerana ny boriborintany rehetra eto andrenivohitra.
Fanilo Rarivoarilala
