Serasera miasa ho an’ny fampandrosoana
Manamora ny asa rehetra ny fisiana foto-drafitr’asa malalaka sy manaraka ny fenitra. Ny fanatsarana ny efa nisy ihany koa dia mba hahafahan’ireo mpiasa misehatra malalaka. Tamin’ity indray mitoraka ity, ny serasera no nahazo vahana kokoa izay isan’ireo tena antoka mampandroso voalohany ny firenena iray. Notokanana ny 8 martsa ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Antsiranana izay nampitondraina ny anarana hoe « Banja ». Tonga nitokana izany ny filoha Andry Rajoelina. Ity eto Antsiranana ity no Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina voalohany notokanana, ary ireo any amin’ny renivohi-paritany 5 kosa no hotokanana mifandimby afaka herinandro vitsivitsy ary ireo any renivohi-paritra manaraka azy izay eo an-dalam-pahavitana. Efitra maro no hita ao anatin’ity tranobe ity amin’ny maha-toeran’ny serasera sy ny kolontsaina azy. Toy ny efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerevana horonan-tsary (auditorium) mahazaka olona 550mipetraka ; efitrano ho an’ny mpanao gazety ary efitra 6 hafa manana anjara asa lehibe. Ankoatra izay dia nanolotra sonorisation sy régie ary zava-maneno feno ho an’i « Banja » ny fitondram-panjakana. Ilaina tokoa ny fanomezanan-danja ny serasera sy ny kolontsaina eto amintsika noho izy isan’ireo mahasarika ny maro ka mety hiteraka fampandrosoana. Ny ivon-toerana iray ihany koa no ivondronan’ireo mpanankato sy mpiserasera maro samihafa mba hiara-hisaina izay azo atao ho an’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara









