Ambositra: Voatifitra ilay jiolahy namono azy mianaka
Voatifitry ny Polisy ilay jiolahy namono nahafaty mpianaka tamin’ny volana jolay lasa teo tany Ambositra. Tsiahivina fa mpianaka 40 taona sy 18 taona no natsatohan’ity jiolahy ny antsy rehefa handeha hamonjy fodiana. Samy namoy ny ainy izy ireo ny 27 jolay 2022.
“Nisy ny fanadihadihana natao ary fantatra fa nandositra taty Antananarivo ilay olon-dratsy. Tratra teny amin’ny fiantsonan’ny « Taxi-brousse » fasan’ny karana Ankadimbahoaka izy” hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. “Rehefa noentina niverina tany Ambositra indray izy dia niezaka ny nandositra. Tsy maintsy nitifitra izahay ary tsy tana intsony ny ainy” hoy hatrany izy ireo.
Miezaka hatrany ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena amin’ny fampandriana ny fahalemana. Ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ihany koa no isan’ny fahombiazana amin’izany.
