Etats-Unis : Mpiasan’ny seranam-piaramanidina iray no maty notrohin’ny « réacteur »
Mpiasan’ny seranam-piaramanidina iray no maty notrohin’ny « réacteur » ny fiaramanidina tao amin’ny seranam-piaramanidin’i San Antonio, ao Texas ny faran’ny herinandro teo. Fotoana vitsy taorian’ny nipetrahan’ilay fiaramanidina izay mbola nizotra teo amin’ny « piste » hiazo ny vavahady fiaingana no niseho ny tranga.
Manodidina ny 10 ora sy 25 minitra alina no niseho io tranga. Fiaramanidin’ny orinasa Delta avy Los Angeles no niteraka izany. Lehilahy miasa ho an’ny orinasa Unifi Aviation kosa io namoy ny ainy io raha ny fanazavana. Orinasa izay miara miasa amin’ny orinasam-piaramanidina maro, isan’izany ny Delta. Manoloana ny tranga kosa dia misy ny fanadihadiana atao izay tarihin’ny NTSB, masoivoho amerikana misahana ny fanadihadian’ny lozam-pifamoivoizana.
