Ambohimanambola: Manomboka ny fananganana ireo toeram-pitsinjarana fako
Manomboka ny fananganana ireo toerana fitsinjarana fako, izay natokana ho an’ny servisy Raoka fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Ny toerana voalohany na ny site-01 site de transfert no ataon’ireo tomponandraikitra, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetik’asan’ny servisy raoka fako ny fanaganana ireo site de transfert, izay toerana natokana hametrahana ireo fako alaina isan-tokatrano ary hitsinjarana izany araka ny sokajim-pako » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny servisy raoka fako.
« Ny hirariana amin’ny fananganana tetik’asa tahaka izao moa dia ny mba hampaharitra azy fa tsy handalo fotsiny ihany. Ary mila atao mafy ny fanentanana ny mponina mba hanaraka izany satria zava-poana raha tsy ampy ny fanentanana sy ny fanomezana fahalalana ho an’ireo mponina izay hiantefan’nyservisy voalohany » hoy i Tiana, mponina ao Ambohimanambola.
Marihina moa fa ity toerana hatsangana amin’izao fotoana ity dia natokana ho an’ny servisy Raoka fako ihany.
Manitra Ramanantsoa
