ActualitésTsidika

Antares : Niova anarana ho Alcor indray

Nanao fanambarana ny filoha mpamorona ny Antares Alex Richter fa niova ho Alcor ny Antares

Rava ny Antares, izany no nameno ny vavan’ny olona rehetra tato ho ato. Raha tsiahivina tokoa mantsy nanao fanambarana ofisialy i Alex ny 13 aogositra fa tapaka avokoa ny fihodinan’ny vola rehetra ao anatin’ny tambazotran’izy ireo ka mihato mihitsy aloha. Nanao fanambarana vaovao kosa indray ity farany fa niova ho Alcor ny Antares ary mbola afaka miditra ho mpikambana hatrany na ireo efa nanao Antares aza fa kosa tsy afaka alaina intsony ireo vola efa nihitsioka teo aloha. Marihana fa nisy ihany ireo efa nahazo vola, fiara tamin’ny Antares na dia ireo very vola aza no tena maro an’isa.

« Systeme de Ponzi no filaza ity Antares ity. Ireo izay efa niditra tany aloha no mahazo tombony sy manankarena rehefa maka ny volan’ireo izay vao ampidirina, ka ireo izay tratra farany no very vola sy voa mafy ka rehefa manomboka rava dia mamorona vaovao fotsiny ireo mpamorona azy » hoy ireo mpisehatra eo amin’ny « reseaux sociaux ».

« Izay olona mbola miditra amin’itony aloha dia olona efa teny manipy vola eny amin’ny varavaran-kely mihitsy ho Ariana » hoy Princia. Nanao fanehoan-kevitra kosa i Patrick, tompona cyber iray : « Maro dia maro tokoa ireo olona mandalo ato amin’ny cyber no manao itony systeme itony ho fitadiavam-bola. Betsaka no tsy mahay mikitika solosaina akory fa mahare ny dokambarotra mipoapoaka avy dia roboka. Tsy mbola zakan’ny Malagasy ny zavatra tahak’izao, ireo olona fetsy sy mahay miresaka ihany no mahazo amin’itony, kanefa ny mampalahelo dia ny olona tsy ampy solaitra no arobok’izy ireo ao ». Tsy re feo ny fitondram-panjakana manoloana izao fisolokiana avo lenta mahazo ny Malagasy izao, hoy hatrany izy.

Raha ny fanambarana nataon’izy ireo, fidinana ifotony sy fisavana nataon’ny manam-pahefana no antony nampihitsoka ny kaonty rehetra. Azo eritreretina tsara arak’izany ny maha tsy ara-dalana ity tambazotra ity satria matoa misy ny fanakatonana, misy ny tsy milamina. Hita izao fa nanova paikady indray ny Antares mba hamerenana indray ny fangalana volan’olona. Raha efa izay ve no porofo nivaingana sy hita momban’ny Antares, mbola hisy sahy hiditra Alcor indray ve ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire