Alasora : Ho avy tsy ho ela ny « tournoi du maire » andiany manaraka
Nifarana ny alahady teo ny fifaninana baolina kitra, niadiana ny amboran’ny ben’ny tanàna (tournoi du maire) ho an’ny taona 2023, tao amin’ny kaominina Alasora. Nisy sokajy telo niatrika izany lalao famaranana izany, ary andiany voalohany ity tontosa ity, raha ny voalaza.
« Lalao roa sosona no tontosa soa aman-tsara tamin’ity andiany voalohany ity, dia ny fifaninanana teo amin’ny sokajy vétéran, ny senior ary ny sokajy vehivavy sy ny tournoi du maire U18. Hisaorana sy hankasitrahana ireo rehetra nandray anjara sy ireo naneho fihetsika ara-panatanjehan-tena nandritry ny lalao rehetra. Deraina ihany koa ny fahendren’ny mpijery sy ny mpakafy fa tena nilamina tsara ny lalao rehetra » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
« Hita nandritra ny fifaninanana tokoa ny fisandratan’ny baolina kitra indray eto amin’ny kaominina. Ny mponina eto dia tena mankafy ity taranja ity sady miala voly ihany koa. hisaorana feno ny ben’ny tanàna nanohana sy nanome sehatra izany » hoy i Toky, mpijery baolina.
Anisan’ny tonga nanontrona izany fifaninanana izany moa ny ben’ny tanàna avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny avy amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra.
