ActualitésTsidika

Ambohijanaka : Hisy ny lalao baolina kitra lehibe « Open foot à 11 »

Hisy ny lalao baolina kitra lehibe izay ho atao ny alahady 25 septembre ho avy izao, « Open foot à 11 » izay hatao ao amin’ny kianja Mahamandry Ambohijanaka.  Ao anatin’ny famaraparanana ny fandraisana ireo mpikatroka sy/na mpilalao vaovao ny ao amin’ny klioban’ny academy Football Buffalo amin’izao fotoana izao. Mamarana ihany koa izy ireo ny fizaran’asa sy ny fanadinana ho an’ireo mpilalao voafantina hiatrika ny ligin’Analamanga 2022-2023.

« Klioba maro no handray anjara mandritra io fotoana io. Hisy ny lalao izay handraisan’ny sokajy “Vétéran” anjara, izay hanomboka amin’ny 08ora maraina. Ny an’ny sokajy “Senior” kosa klioba miisa 06 no handray anjara amin’izany, izay hisy lalao amin’ny 10 ora maraina, amin’ny 12ora atoandro ary amin’ny 02ora tolakandro. Ireo mpilalao ireo izay avy amin’ny klioba manana ny mahaizy azy avy any amin’ny kaominina misy azy avy » hoy ireo mpikarakara.

« Efa tsara fiomanana ny mpilalao ary efa nanao fanazara-tena hatrany ho an’ny lalao tahaka izao. Ireo mpankafia sy mpijery baolina no hasaina ho tonga maro fa hiady ny lalao amin’io fotoana io » io ny mpanazatra amin’ny klioba iray.

Entitra ny fikarakarana sy fanomanana ity lalao indray mitoraka ity. Na dia izany aza anefa, mbola mandray ireo izay maniry hihiditra ho mpilalao ao anatin’ny sokajy “veteran” ny klioba.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire