By-pass : Fanotorana tany natao ho an’izay nahazo alalana
Maro be ireo fanotorana tany amin’izao, indrindra amin’iny manamorona an’ny By-pass iny. Niato izany nandritra ny taona 2019 sy 2020, ka izany no mampiroborobo ny fanotorana tany amin’izao. Izao vao manomboka manenjika manko ireo izay nahazo ny fahazoan-dalana tamin’ny taona 2018, moa koa efa nisy ny fehim-potoana napetraka.Efa nahazoana alalana avokoa ireo fanotorana maro be ireo, hoy ny tale jeneralin’ny APIPA, Ranto Rakotonjanahary, izay manara-maso ny fanotorana. « Efa misy ny drafi-panajariana ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina » hoy ny minisitry ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo. « Roa isam-bolana ny fangatahana tonga eny amin’ny kaominina Alasora amin’izao, ka alefa eny amin’ny APIPA sy ny ministeran’ny fanajariana ny tany izany ho dinihina » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Jimmy Randriantsoa. Nohamafisiny tamin’izany fa ny tsy fahampian’ny lalana no mahatonga ny fanotorana maro be toy izao.Anisan’ny antony tena nampiato ny fanotorana koa moa ny fihibohana niaretana teto amin’ny firenena. Aminin’izao anefa dia, manodidina ny dimapolo eoeo ny fahazoan-dalana raha ny antontanisa avy amin’ny APIPA hatramin’ny taona 2016. Misy ny sazy hoan’ireo izay minia tsy manara-dalàna manototra tany amin’ny toerana tsy anaty drafi-panajariana.
Murielle Andrianasoloniaina
