Ambohitrarahaba : Ny avonavona ataon’ireo fiara mpitatitra
Tsy olona iray na roa izao no nitaraina mikasika ny tsy fanajana sy tsy fiavonavonana atao amin’ny mpandeha amin’ny fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Ambohitrarahaba sy Anosy. Ny teny avoaka, indrindra ny fanariana ny mpandeha eny an-tenantenan-dalana, tsy lazaina intsony.
« Nandeha bus 109 aho, Voa nianga teo amin’ny « arrêt » Ambohitrahatraraha nanontaniana daholo izay saika hiditra ka izay niteny hoe Anosy dia tsy noraisiny fa izay alohan’Andravoahangy ihany no noraisiny nefa handeha makany Anosy ilay bus. Nisy mpivady efa antitra zay rehefa handoha frais de nanontaniany hoe ho aiza, dia namaly ireo hoe makany Anosy ary nasainy nidina teo Andrononobe nefa olona efa antitra be » hoy i Maria, nijoro vavolombelona. « Tsy ny fiara 109 ihany fa ny bus rehetra mihitsy dia saika manao tsinotsinona tahaka izany saingy minia marenina ve ireo tompon’andraikitra ? » hoy i Elie, mponina any Ambohitrarahaba.
Fitiavan-kely ka tsy misy fifampitsonjovana ireo mpandeha intsony ve no mahatonga azy ireo hanao izany ? Sa ny atao hoe fahalalam-pomba sy ny fanajana no tsy hainy ka mila hampianarina ?
Tsy ny fiara rehetra any Ambihtrarahaba anefa no manao tsinotsinona ny mpandeha tahaka izao fa ao ireo efa tonga saina sy nahazo fampianarana tsar aka mahay manaja ary tena hajain’ny mpandeha tokoa.
Nicole Rafalimananjara
