SocialTatitra

Inde : Lehilahy 4 nanolana zaza 9 taona

Mopera 53 taona iray sy lehilahy 3 niasa tao amin’ny « crematorium » na ireny toerana fandoroana faty ireny no nosamborin’ny polisy noho ny fanolanana zazavavy kely 9 taona ka nahafaty azy ny fiandohan’ny volana teo. Niteraka fihetsiketsehina andro maromaro tao New Delhi, renivohitr’i Inde mihitsy izany.

Nanapa-kevitra kosa ny fitsarana fa ho gadraina mandram-paha faty ireto nahavanon-doza ireto. Raha ny fanazavana dia niantso ny renin’ny zaza izy 4 tao aorian’ny habibiana nataony ary nilaza taminy fa may ny herinaratra no nahafaty ny zaza. Rehefa nanadihady kosa ny polisy tao New Delhi dia fantatra fa niara nanolana azy ireo lehilahy ireo.

Laisser un commentaire