SocialTatitra

France : Olona roa no voaantso tao Hauts-de-Seine taorian’ilay fampihorohoroana mpianatry ny Lycée

Nisy nandefa fandrahonana an-jotra ireo mpianatry ny lycée tao Hauts-de-Seine, herinandro teo izay. Mpianatra maherin’ny 150 no lasibatra to anatin’izany. Rehefa nanokatra ny fanadihadiana ireo manam-pahefana tany an-toerana, dia lehilahy roa no nampiantsoina tao Malakoff, ao Hauts-de-Seine, France, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mpirahalahy ireto roa lahy ireto ary teraka tamin’ny taona 2005 sy 2007. Mitohy hatrany ny fanadihadiana ao anatin’izany. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, dia nisy nandefa hafatra an-jotra tamin’ny horonan-tsary sy hafatra miafina tamin’ny fitaovana nomerika ampiasainy ireo mpianatra, tamin’ilay tahalaka ENT an’ny toeram-pianarana, ka nilaza izy ireo fa hanao fanafihana ary efa misy baomba mipetraka isaky ny efitra fianarana ka hipoaka tsy ho ela. Vokatr’izany, mpianatra maro no efa nalefa niala ny toeram-pianarana, herinandro izany, eo ihany koa ny fanaraha-maso sy ny fisavana ny toeram-pianarana hisorohana ny mety ho asa ratsy miseho.

Laisser un commentaire