SocialTatitra

Etats-Unis : Vatana roa tamin’ireo enina noahiana ho maty tamin’ny faharodanan’ny tetezana Baltimore no hita

Tany amin’ny 7,6 metatra tany amin’ny lalina tany no nahitan’ireo mpanao anki-lentika ny « pick-up » miloko mena iray, raha ny nambaran’ireo polisy misahana ny fanadihadiana momba ny fikarohana ilay tranga naharodana ny tetezamby lehibe tao amin’ny seranan-tsambon’i Baltimore, tamin’ity herinandro ity. Olona roa no hita tao anatin’io fiara io. Fantatra fa lehilahy roa 35 sy 26 taona, avy any Mexique sy Guatemala, izay anisan’ny ekipan’ny mpiasa nanatrika teo amin’ny lalan’ny tetezana Francis Scott Key tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Mbola tsy hita kosa ny fatin’ire efa-dahy hafa mpiara-miasa aminy, izay heverina fa maty avokoa, hoy hatrany ny fanazavana.

Laisser un commentaire