ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Misy minia mandoro tanety amin’ny alina

Misy minia mandoro ireo faritra ao ampovoan-tanàna, ao Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Ny alina no hanaovan’ireo olona izany ka manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra ireo mponina manodidina.

« Tsy rariny loatra ilay zavatra ataon’ny olona sasany ety amin’ny manodidina. Mandritra ny alina iray manontolo dia miaina anaty setroka ny mponina manodidina noho doro tanety ataon’izy ireo. Mijaly ireo tsy salama» hoy i José, mponina eo amin’ny manodidina.

« Miantso ny tomponandraikitra mba hijery akaiky ny zava-misy satria zava-doza ho an’ny fahasalamana sy ho an’ny tontolo iainana ny vokatr’izao doro tanety izao ary manome endrika ratsy ny tanàna. Tokony asiana fanaraha-maso sy sazy enjana ho an’ireo manao izany » hoy i Donné, mponina ao Ambohitrarahaba.

Fanetry ben’ny firenena sy ny tanindrazana ny olona mandoro tanety, ary enjehin’ny lalàna. Ilaina ny mitoroka amin’ny tranga tahaka izao, eny amin’ny manam-pahefana.

Laisser un commentaire