Ravinala Airports : Manao fiantsoana tetikasa miasa ao amin’ireo kaominina ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo
Nandefa taratasy fiantsoana ireo izay manana tetikasa miasa eo anivon’ny Distrikan’Ambohitratrimo ny kaompania Ravinala Airports. Ity tolotra ity dia natokana ho an’ireo fikambana miasa eo anivon’ny Kaominina Ivato, Talatamaty, Anosiala na Ambatolampy Tsimahafotsy.
« Izao antso izao dia mikendry ireo hevitra tsara indrindra afaka hitondra fampivoarana tsara eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny tontolo iainana ary ny fivoarana ara-tsosialin’ny fiaraha-monina » hoy ireo tomponandraikitra misahana ny tetikasa.
« Ankoatra izay dia mijery ireo izay manana tetikasa misahana ny fiarahamonina anatiny ary koa mandray anjara amin’ny fantanterahana ny tanjona stratejika fahadimin’ny Ravinala Airports dia ny fiarovana ny tontolo iainanana sy ny fametrahana ny fandraisana andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa» hoy hatrany ny fanazavana.
Nampahafantatra ihany koa ny tompon’andraikitra fa vola mitetina 15000000 Ariary no loka ho an’izay mendrika indrandra ary 8000000 Ariary kosa ny fanomezana ho an’ny faharoa. Misokatra araka izany ny fandraisana ny tetikasa ary tsy hifarana raha tsy ny faha 23 ny volana Jolay.
Miranto Andrih
