Afghanistan : Tsy maintsy hakatona avokoa ireo toeram-pikojakojana endrika amam-bika
Voahitsitsaka tanteraka ny zon’olombelona ao Afghanistan hatramin’ny fahatongavan’ny Taliban teo amin’ny fitantanana ny firenena. Nanomboka ny taona 2021 dia nifanesisesy ny fandraràna samihafa tao amin’ny firenena toy ny fandraràn’ny vehivavy tsy hisehatra eo amin’ny sehatra mahaolona na ny fandraràna azy ireo hianatra eny amin’ny anjerimanontolo sns.
Ny vehivavy no tena voakasiky fanitsakitsahan-jo ao Afghanistan. Nanao fanambarana indray ny Taliban fa tsy maintsy hakatona avokoa ny toeram-pikojakojana endrika aman-bika ao amin’ny firenena. Asa isany farany amin’ireo azon’ny vehivavy ao an-toerana atao nefa izany. Iray volana ny fe-potoana hanakatonana izany raha ny voalazan’ny mpitondra tenin’ny minisiteran’ny « prévention du vice et de la propagation de la vertu », Mohammad Sadiq Akif.
