ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tratra ny mpangalatra

Tratra ny mpangalatra iray tao Ambohitrarahaba Ankadikely Ilafy. Tratra niaraka taminy ny entana rehetra nangalariny.

« Maro ny olona nitaraina ho very entana tonga teto. Efa manao ny ezaka rehetra izahay. Mila antsika vahoaka hifanome tanana hanafoanana ny olon-dratsy eto amintsika » hoy ny mpitandro filaminana ao Ankadikely Ilafy. « Izay rehetra manana entana very dia afaka mametraka ny fitarainana eny amin’ny mpitandro filaminana. Mila faritana tsara ao ny entana very. Tsy maintsy mifanampy foana isika amin’ny fampandrosoana ny tanàna » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Mahomby hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mponina. Ny mponina no mahita ny zava-misy eny ifotony eny raha ny mpitandro filaminana kosa no manana fahefana amin’ny fisamborana ny olon-dratsy. Ilaina eo amin’ny fampandrosoana ahafahan’ny mponina mihary am-pilaminana ny famapndriana ny fahalemana.

Laisser un commentaire