Toliara : Trano iray may tao afovoan-tanàna
10 Febroary, 11h00. Trano iray no may tao Tsimenatsy-I ouest androany tokony tamin’ny 6 ora maraina. Niitatra tamin’ny trano teo akaiky ny afo ka nahamay ny tafony ihany koa. Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo saingy nanazava ny nanatri-maso teny an-toerana fa « circuit de charge » nateraky ny finday nifahana no nitarika izany. Nisy ihany nefa no milaza fa ny « compteur » jiro mihitsy no nipoaka. Nifandrimbona tamin’ny famonoana afo ny mponina ary tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina sahirana noho ny hateren’ny lalana. Efa voafehy ny amin’izao ary efa misokatra ny fanadihadiana. Tsy nisy kosa ny aina nahafoy.
