Dépêches

Ambanja : Nahazo fankasitrahana manokana ireo mpianatra nahazo mari-pahaizana nandritra ny bakalorea

24 Aogositra, 14h00, Miisa 14 mianadahy no nahazo ny mari-pahaizana mention « bien » ary 03 kosa no nahazo ny mention « très bien » nandritra ny fanadinana bakalorea nivoaka farany teo, tao amin’ny distrikan’Ambanja. Notoloran’ny ben’ny tanàna tao an-toerana fankasitrahana manokana araka izany izy ireto toy ny fiaraha-misakafo sy ny fitsangatsanganana makany amin’ny nosy “La Réunion”. Tanjon’ny fanaovana izany hoy ny ben’ny tanàna ny hamporisihana ireo zandry mba hilofo amin’ny fianarana.

Laisser un commentaire