Betongolo : Jiolahy telo nandroba tao anaty fiara fitateram-bahoaka
27 Septambra 2023, Jiolahy miisa telo no nandroba mpandeha tao anaty fiara fitateram-bahoaka, tamin’ny alatsinainy hariva teo. Araka ny voalaza, niakatra tahaka ny olon-drehetra mpandeha fiara izy ireo, teo amin’ny toeram-piantsonana Chapelle Betongolo, ka rehefa tonga teo Ambohitrakely ny fiara dia nandrahona avy hatrany ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara ireto olon-dratsy. Vokatr’izany, voaroba ny vola sy ny finday ary ireo zava-manan-danja teny amin’ireo mpandeha.
