Andralanitra : Mimenomenona amin’ny setroka ny mponina ney an-toerana
Dépêche 05 octobre, 12h30, Setroka mainty sady matevina noho ny fandoroana fako eny Andralanitra, izany no hiainan’ny mponina eny an-toerana isan’andro. Manaitra ireo tompon’andraikitra izy ireo amin’izany noho ny olana mety haterak’izany amin’ny fahasalamana sy ny andavan’androm-piainan’izy ireo. Maro ny aretina mety hateraky ity aretina ity ka mampanahy ireo monina izany. Fanampin’izany dia tsy ny eny irery no mety hitondra takaitra amin’izany fa ny vahoakan’Antananarivo rehetra mihitsy.
