ActualitésTsidika

Menabe: Hampianarina sy hentanina ny mpianatra amin’ny fanasana tanana matetika.

Ny tanana dia anisan’ny singa iray miantoka ny fahasalaman’ny vatana sy ny anay anaty rehetra any. Ilaina ny manadio ny tanan matetika satria io no mitondra ny sakafo mankany mabava ka sao misy mikraoba. Nandritra ny fisian’iny valan’aretina covid-19 iny dia nentanina matetika ny mahakasika ny fanasana tanana mba hahafahana miaro tena. Mitoetra foana izany na dia efa miotady hor esy aza ity aretina ity. Izany oindrindra no anton’izao fanentanana ny mpianatra izao mba hanasa tanana matetika.

Nampianarina sy nentanina ireo mpianatra ao amin’ny faritra Menabe na ireo amin’ny sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana mba hanasa tanana matetika amin’ny rano sy savony.  Toy izany koa ireo eny anivon’ny biraom-panjakana dia nentanina ihany koa izy ireo ny mahaksika izany.

“Natao izao hetsika izao satria efa manadino sahady ny Zaza Malagasy indrindra fa ny aty amin’ny  Faritra Menabe, rehefa tsy nahitana tranga intsony ilay valan’aretina COVID 19 , mba hisorohana ny aretina hafa ary mba ho fahazarana ny manasa tanana amin’ny savony ihany koa anefa no anton’izao fanentana izao”, hoy ny Talem-paritry ny Rano sy ny Fahadiovaana ary ny fidiovana ao Menabe.

“Tsara mihitsy izy hatomboka amin’ny zaza any ampianarana ohatran’izao satria ireo ihany no hitondra faanbeazana eo anivon’ny tokantyrano ka hitondra fanovana toetra. Kely ireo fa mety ngeza ireo raha mahavita izany asa kely tsy mila fahaizana izany”, hoy i Marinà tamin’ny fanehoan-keviny mahakasika izany.

Tsy hatao ambanin-javatra mihitsy ny fahadiovana satria anisan’ny singa iray miantoka ny fahasalamana izany. Indrindra moa fa ity fahadiovan’ny tanana ity izay mety hitondra aretina hafa maron be rehefa tsy voadio. Tsy ireto mpianatra ireto irery ihany no mizatra izany fa tokony ny olombelona rehtra mihitsy.  

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire