Miss île de Madagascar : Norombahin’i Réginah Tatiana ny amboara
Dépêche 05 octobre, 13h, Tovovavy miisa 23 avy amin’ny faritra 23 eto Madagsikara no nifaninana tamin’ny lalao Miss île de Madagascar 2022. Samy nanana ny mampiavaka azy izy ireo na teo amin’ny hatsaran-tarehy na teo amin’ny fahaiza-manao sy ny fihetsika rehetra. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny famaranana ka i Rakotovao Nandrianina Réginah Tatiana no voasafidy hisalotra ny samboady Miss Île de Madagascar 2022. Avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana moa ity tovovavy ity.
