Kitra lalaovina eny amin’ny tora-pasika : Tafiditra anaty sangany aty Afrika i Madagasikara
Dépêche 05 octobre, 14h, Tafiditra amin’ny laharana faha-10 no misy an’ny Madagasikara amin’ny firenena rehetra manana mpilalao kitra any amin’ny tora-pasika aty Afrika. Eo amin’ny laharana faha-73 maneran-tany kosa ny ekipam-pirenena Malagasy. Atao any Mozambique ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Afrika ny faha 21 ka hatramin’ny faha 30 ny volana oktobra ho avy izao. Senegal, Egypte, Rouanda, ireo no firenena iray vondrona amin’ny Barea mandritra io lalao io kanefa mbola ao alohan’ny Madagsikara avokoa ireo ao ami’ny filaharana maneran-tany.
