Bemasoandro Itaosy : Nomena fampitandremana ireo mpivarotra tsy nanaja famerana ny vidin’entana
11 May, 12h00. Nidina nanara-maso ny fampiharana ny famerana ny vidin’entana ambony indrindra amin’ireo PPN teny Bemasoandro Itaosy ny ekipan’ny DPC omaly. Nanitsy avy hatrany ny vidin’entany ireo mpivarotra naningana tamin’izany. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa taminy, ny sefo fokontany sy ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa nampitana ny lalan-tsain’ny famerana ny vidin’entana sy ny tokony hifanomezan-tanana amin’ny fampanajana izany.
