Toamasina : Mpanendaka iray tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny
11 May, 13h00. Lehilahy mpanendaka iray no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny omaly tamin’ny 05 ora maraina tao Ambolomadinika. Ireo Polisy avy ao amin’ny Commissariat Central teo am-panaovana fisafoana no nahasarona azy. Ny fanadihadiana natao tamin’ity jiolahy ity no nahalalana fa avy ao Tanambao fahadimy izy no tonga manao ny asa ratsiny tao Ambolomadinika.
